Fahasalamana

HOMI SOAVINANDRIANA 1.000 isan-taona ny zaza teraka ao, 300 tsy ampy lanja


  • Zoma 02 Martsa 2018

Manodidina ny 1.000 isan-taona amin’izao ireo zaza teraka eo anivon’ny hopitalin’ny Miaramila etsy Soavinandriana (HOMI). Ny 300 amin’ireo dia teraka tsy tonga volana avokoa noho ny rarintsaina mahazo ireo renim-pianakaviana mitondra vohoka, ny havizanana diso tafahoatra…

 

Mba hahafahana manampy sy manavotra ireny zaza menavava vao teraka tsy ampy lanja ireny ary dia napetraka ao amin’ity hôpitaly iray ity ny “Centre Maman Kangourou”, iarahan’ny fikambanana La Compassion Madagascar sy ny Orange Solidarité. Ity no ivontoerana fahavalo natsangan’izy ireo teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Fantatra fa hahafahana manangana ivontoerana iray tahaka izao mahazaka zaza enina ny vidina “couveuse” iray eto amintsika. Sady manavotra ain’ankizy maro anefa itsy voalohany no vetivety ihany koa dia mitombo ilay zaza.  Ny reniny na ny rainy ihany no mamindra hafanana aminy tsy miato izay marihina fa tsy maintsy salama tsara.  Nambaran’ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka moa fa ny mba hahafahana mampihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana no tena tanjona amin’ny fametrahana ivontoerana tahaka izao.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT