Fahasalamana

Homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza 200 000 Ar ny saran’ny fitiliana


  • Talata 13 Martsa 2018

2 hetsy Ar ny saran’ny manao fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza eto amintsika, raha aloa vola. Izany indrindra no nanosika ny Fondation Akbaraly sy ny fikambanana Pachamama hanatanteraka ilay fitiliana maimaimpoana eny amin’ny fokontany Ambatoroka nanomboka omaly alatsinainy 12 martsa.

 

 Iarahana amin’ilay fiara mandehandeha antsoina hoe : Luisa, ahitana ireo karazam-pitaovana faran’izay raitra indrindra toy ny télémedicine izany hahafahana mamoaka ny sarin’ilay vozon’ny tranonjaza marary  eo no ho eo ary hitadiavam-bahaolana avy hatrany amin’ireo dokotera manampahaizana any ivelany. Omaly fotsiny dia efa nahatratra 250 ireo vehivavy tonga nisoratra anarana teo anivon’ity fokontany iray ity. Natomboka tamin’ny fandraisana ny anaran’izy ireo izany. Nitohy tamin’ny fitsapana ny nono mba hahafantarana ilay aretina homamiadana, niampita tamin’ny fitarafana mihitsy ho an’ireo ahiahiana nipaka hatrany amin’ny fanaovana fitiliana ny vozon’ny tranonjaza. Hitohy ao amin’ny fokontany Manakambahiny moa ny hetsika rahampitso alarobia.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT