HOMAMIADAN’NY VOZON’NY TRANON-JAZA

Ny 9,4%-n’ny vehivavy Malagasy no tratrany ny taona 2024


  • Talata 25 Febroary 2025

Ny 9,4%-n’ny vehivavy Malagasy tamin’ny taona 2024 no fantatra fa tratry ny homamiadan’ny

vozon’ny tranon-jaza. Vehivavy 76 isa tamin’ireo 14.780 isa natao fitiliana no lasibatra raha araka ny tatitra nataon’ny Fondation Akbaraly niaraka tamin’ny Pr Jean-Marie Dangou, manam-pahaizana avy amin'ny Firenena Mikambana. Nambaran’ity manam-pahaizana ity araka izany fa tena manao ezaka lehibe hanampiana ny ankohonana Malagasy ny Fondation Akbaraly. Ny vehivavy mantsy hoy izy no andry hiankinan’ny fianakaviana noho izy ireny miteraka sy mitantanam-bola koa rehefa ny vehivavy no tsy salama dia hitontongana ny fiainan’ny tokantrano izay misy fiantraikany eo anivon’ny fiaraha-monina ary mipaka hatrany amin’ny toe-karem-pirenena mihitsy. Fantatra moa fa ankoatra ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza dia betsaka ihany koa ireo vehivavy Malagasy tratry ny homamiadan’ny nono, aretina voasokajy ho laharana fahatelo mamono olona betsaka indrindra amin’izao.
Pati
Legende : Miezaka manampy ny vehivavy hiady amin’ny aretin’ny homamiadana ny Fondation Akbaraly sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT