Fahasalamana

Homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza Mitombo isa ireo vehivavy voany eto amintsika


  • Alakamisy 13 Aprily 2023

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy tratran’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza eto amintsika.

Efa mahatratra 44 isa ao anatin’ny 100.000 mantsy izany noho ny tsy fanaovana fitiliana raha 25 isa amin’ny 100.000 kosa any ivelany. Manoloana io tranga io dia nitsangana ny ONG « Douleur sans frontière’ hanampy ireo vehivavy eto amintsika. Hiasa amina toerana roa lehibe izy ireo dia ny eto Antananarivo sy any Mahajanga ao anatin’ilay loha-hevitra hoe : vehivavy tsara karakara lavitry ny fanaintainana. Ankoatra ny fanentanana ny vehivavy dia hampanao fitiliana maimaimpoana ny vozon’ny tranon-jaza ihany koa izy ireo izay tokony hataon’ny vehivavy iray indray mandeha isaky ny 3 taona raha ela indrindra, manomboka eo amin’ny faha- 20 taonany ka hatrany amin’ny 50 taona any ho any. Vehivavy miisa 1100 no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany. Ho an’ireo efa marary sy misedra olana toy ireo efa tratry ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza amin’ny sokajy ambony moa dia manohana ara-tsaina azy ireny ihany koa ity ONG iray ity. Natomboka tamim-pomba ofisialy omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny hetsika.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT