HOMAMIADAN’NY NONO

Hisy fitiliana faobe etsy amin’ny CHU JRA


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2023

Ny homamiadan’ny nono no karazana homamiadana betsaka mitranga indrindra sy raisina an-tanana eo anivon’ny

Centre Hospitalier Universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha na ny (CHUJRA). Vehivavy manomboka eo amin’ny faha-25 taonany ka hatramin’ny faha-45 taonany ny ankamaroan’ireo voa raha tsy ferana ny ankoatra izay. Aretina azo sitranina tsara anefa ny homamiadana nono indrindra raha voatily mialoha izy raha araka ny fanazavan’ny dokotera Razakanaivo Malala, "Spécialiste en Oncologie Radiothérapie" eo anivon’ity hopitalim-panjakana iray ity. Miainga avy amin’ny selan’ny nono ilay aretina izay mety hitombo vetivety ary miparitaka amin’ny vatana hoy hatrany ny fanazavany. Avy amin’ny fifohana sigara, ny fisotroan-toaka, ny tarazo avy amin’ny fianakaviana tany aloha ary ny aretin’ny nono tampoka no mety hahatonga azy. Anisan’ny miaro amin’ny aretina kosa anefa ny fampinonoana zaza. Fomba fisehony ny fahatsapana ilay fivontosana izay re ho mitombo tsikelikely. Mety ho sempotra ihany koa ilay marary ary manaintaina ny taolany. Fomba fitsaboana ny aretina araka izany ny fandidiana ilay nono sy ny fampiasana ny fanafody mifandraika amin’izany. Mba ho fanampiana ny vehivavy rehefa ho afaka misoroka mialoha ity areti-mandoza ity moa dia hisy manomboka anio Alatsinainy 09 Oktobra ny fitiliana maimaim-poana ny homamiadan’ny nono etsy amin’ny CHU Andohatapenaka Antananarivo sy ny CHU Andrainjato Fianarantsoa. Hiarahan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy mikarakara izany, izay tsy hifarana raha tsy amin’ny 28 Oktobra ho avy izao.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT