HOMAMIADAN’NY NONO

Efa mahakasika ny 33%-n’ny vehivavy Malagasy


  • Zoma 25 Oktobra 2024

Efa mahakasika ny 33%-n’ny vehivavy Malagasy ny homamiadan’ny nono amin’izao, raha araka ny fanadihadiana natao.

Taorian’ilay hetsika Octobre rose nentina nitiliana maimaim-poana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza teto an-drenivohitra dia nisy indray ny hetsika fitiliana maimaim-poana notanterahin’ny Fondation Akbaraly tetsy amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny. Ireo vehivavy mpiasa eo anivon’ity Ministera ity no voakasik’izany. Nambaran-dRaharimalala Claudette, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Kintana ary fa alohan’ny fitiliana hatao tahaka izao dia tsy maintsy misy ny fanentanana sy ny fampahafantarana mikasika ity aretina ity sy ny mety ho voka-dratsiny. Tafiditra ao anatin’izany ny tokony hitsapana ny nono isam-bolana raha sanatria ka misy mivonto na marary. Amin’ny alalan’ny fitiliana hatao isan-taona irery ihany kosa no hahafantarana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Tsy vitsy mantsy ireo vehivavy matahotra ny hahalala ny toe-pahasalamany saingy aleo misoroka toy izay mitsabo. Raha hita mialoha mantsy ilay aretina dia nambarany fa mbola azo tsaboina tsara na ho an’ny nono izany na ho an’ny vozon’ny tranon-jaza.
Pati
Legende : Mihabetsaka ireo vehivavy tratry ny homamiadana eto amintsika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT