Fahasalamana

Homamiadana mpahazo ny ankizy Ny rà sy ny voa no tena mateti-pitranga


  • Zoma 15 Febroary 2019

Maro karazany ireo homamiadana mahazo ny ankizy eto amintsika ankehitriny. Raha ny homamiadan’ny maso no tena nalaza teo aloha dia efa misy ihany koa amin’izao ny antsoina hoe : infum oxipital, ny tumeur faciale, ny homamiadan’ny vihy ho an’ireo zazalahy kely, ny homamiadan’ny aty…

 

 

 

 Amin’ny ankapobeny dia tonga ho azy ny aretina homamiadana, raha ny ankizy no asian-teny. Ny latsaky ny 10 % monja, araka ny fanazavan’ny dokotera iray , mpitsabo zaza etsy amin’ny hôpitaly CHU Befelatanana, no fantatra fa avy amin’ny rayon X, ny fisian’ny otrik’aretina VIH/SIDA amin’ilay reny bevohoka, izay mifindra amin’ilay menaky ny ainy, ny fisian’ny aretina hepatita B izay miteraka avy hatrany ny aretin’ny homamiadan’ny aty ho an’ilay zaza… Marika vitsivitsy kosa   no azo amantarana azy ety ivelany toy  ny teboka mena manopy volomparasy amin’ny vatan’ilay zaza, izay tena vetivety tokoa ny fiparitahany. Io ilay antsoina hoe : “pulpuras” ; ny fisian’ny rà be loatra mivoaka amin’ny orony na ny vavany ; ny fisian’ny fivontosana hafahafa, ny fanaintainan’ny vanin-taolana, ho an’ireo ankizy efa lehibebe manomboka eo amin’ny 12 taona. Tsy tokony hiandry ela, raha vao mahita ireo, fa tokony manatona avy hatrany ny tobim-pitsaboana. Na izany aza anefa, hoy hatrany ity dokotera iray , dia misy fitiliana maro samihafa atao vao azo lazaina fa voan’ny homamiadana ilay zaza. Nomarihiny moa fa ireo ankizy roa ka hatramin’ny dimy taona no tena betsaka voan’ny homamiadana ka ny homamiadan’ny rà, ny voa, ny fivontosana amin’ny ati-doha no tena mateti-pitranga.Ny 30 ka hatramin’ny 40 isa amin’ireo ankizy marary miisa 3.500 isan-taona manatona ny tobim-pitsaboana CHU Befelatanana no fantatra fa lasibatr’ireo karazana homamiadana ireo, ary sitrana ny ankamaroany saingy  miankina amin’ilay karazana homamiadana sy ny fotoana hahatongavana manao ny fitsaboana. Vahaolana aroson’ity  dokotera iray ity araka izany ny tokony hanomezana voankazo sy legioma hatrany ny zaza miampy fisotroana rano betsaka isan’andro. Hankalazaina anio zoma 15 Febroary moa ny andro maneran-tany iadiana amin’ny homamiadana mpahazo ny ankizy.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT