HOMAMIADANA MAHAZO NY VEHIVAVY

Nanao hetsika fanentanana sy fitiliana ny orinasa Star


  • Talata 05 Novambra 2024

Volana natokana hanaovana fanentanana sy fitiliana mikasika ny homamiadana mahazo ny vehivavy ny volana

Oktobra na ny « Octobre Rose ». Ho fiahiana ny fahasalaman’ny mpiasa ao aminy dia nanao hetsika anatiny ihany koa ny STAR tamin’iny volana nivalona iny. Niarahany fondation Akbaraly izany tamin’ny fiandohan’ny volana ka nampahafantarina ny mpiasa rehetra ny maha zava-dehibe ny fanaovana pap-test (fizahana ny vozon’ny tranon-jaza) sy mammographie (fizahana ny nono) tamin’ny alalan’ny takelaka fanentanana. Ireo antontan-taratasy ireo dia nanazava tamin'ny an-tsipiriany ny antony maha-zava-dehibe ny fitiliana.Nandritra ny volana oktobra dia nisy ny fanaovana fitiliana ny vozon’ny tranon-jaza ho an’ny mpiasa vehivavy sy ny vadin’ny mpiasa amin’ny toerana-mpiasàna sasany, niarahana tamin’ny tobim-pahasalamana, toeram-pitsaboana ary hopitaly. Ireo mpiara-miombon'antoka ireo dia nanome ny fitaovana nilaina rehetra tamin’izany raha teo koa ireo mpitsabo voaofana ary ny laboratoara. Namaranana ny « Octobre Rose », dia niara-niasa tamin'ireo matihanina ara-pahasalamana ny orinasa Star mba hiresaka lohahevitra manokana mifandraika amin'ny fahasalaman'ny vehivavy. Anisan’ny voaresaka ny “Fandridram-piterahana sy ny loza mety hoentiny” natolotr’i Rasazy Soa, ambasadaoron’ny marika Eau Vive, sy ny “homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ary ny homamiadan’ny nono” nataon’ny Dokotera Prisca Rakotonirina, gynéco-obstetricienne ao amin’ny Clinic Noa Andohatapenaka.
Pati
Legende : Liana tahaka izao ireo vehivavy mpiasan’ny orinasa Star nihaino ny fanazavan’ireo matihanina !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT