Holafitry ny mpitsabo

« Avelao hiasa malalaka izahay, hajao ny marary »


  • Alatsinainy 06 Oktobra 2025

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny

Ordre National des Médecins na ny ONM manoloana ny zava-misy eto amin’ny Firenena amin’izao fotoana izao. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo izay mizara ho teboka enina. Naneho fa miondrika am-panajana eo anatrehan’ireo namoy ny ainy tao anatin’izao savorovoro misy eto amin’ny firenena izao, sady mirary fahasitranana haingana sy tanteraka ho an’ireo rehetra naratra ary mankahery ireo niharam-boina. Nampahatsiahy ny rehetra fa tsy azo atao ny herisetra amin’ny mpitsabo eo am-panatanterahina ny asany na aiza na aiza ; ny fanakorontanana ary ny fidirana an-kerisetra amin’ny toeram-pitsaboana rehetra tsy ankanavaka, izay manohintohina ny asa fitsaboana. Miangavy ny rehetra hamela ny mpitsabo hiasa malalaka sy ampitoniaina mba ho tombontsoan’ny marary ; Marihinay, hoy ny ONM, fa manaja ny fianianana nataonay izahay ka tsy manavaka na iza na iza amin’ny famonjena sy fitsaboana ireo « marary » mila anay. Noho izany, ny ONM dia manamafy fa enjehin’ny lalàna manan-kery eto amin’ny Tany sy Firenena sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanitsakitsahana ny zon’ny mpitsabo voalaza etsy ambony. Mirary ny hahitana vahaolana haingana sy maharitra amin’izao toe-draharaha misy eto amin’ny firenena izao ny ONM. Betsaka moa ireo toe-javatra nitranga ny faran’ny herinandro teo na ny nialohan’izany toy ny daroka lakrimozenina atao amin’ireo mpanao fihetsiketsehana saingy lasibatra hatramin’ny hopitaly tahaka ny tetsy Befelatanana. Nampiaka-peo sy niteny ratsy hatramin’ny mpitsabo satria niditra hatrany amin’ny faritry ny hopitaly ny « forces ». Lasibatra ihany koa ireo mpitsabo milatsaka an-tsitrapo mitsabo ireo maratra izay saika ampihevohana lakrimozenina miaraka amin’ny mpanao fihetsiketsehana,… Teny Tanjombato aza dia nisy zazakely vao 1 volana monja nanaraka fitsaboana maty sempotry ny lakrimozenina ny 26 septambra teo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT