HOLAFITRY NY INFIRMIERA

Hanenjika ireo infirmiera sandoka


  • Talata 07 Mey 2024

Tsy hanaiky intsony fa hanenjika ireo infirmiera sandoka manerana ny Nosy ny holafitry ny infiermiera eto

Madagasikara na ny ONIM. Diso milalao ain’olona loatra mantsy izy ireny indrindra ireo miasa eny anivon’ny tontolo ambanivohitra raha araka ny fanazavan’ny filohany Atoa John love tamin’ny mpanao gazety omaly. Raisinay ho mpiray tsikombakomba amin’izy ireny izay mampiasa infirimiera sandoka na eny anivon’ny hopitalim-panjakana izany na eny anivon’ny hopitaly tsy miankina hoy hatrany Atoa John love. Tsiahivina moa fa efa am-polony ireo infirmiera sandoka tratran’izy ireo ary nomeny fampitandremana nandritra ny fitsidiham-paritra notanterahiny. Mankalaza ny andro manerantany ho an’ny infirmiera izy ireo ankehitriny. Ankoatra ny fanaovana didim-poitra faobe izay natombony omaly teny anivon’ny CSB II dia hisy ihany koa ny fitiliana ny aretina diabeta… hatao any amin’ny lalana hodiaviny hatrany Toamasina any. Infirmiera avokoa no hanao ireo asa rehetra ireo. Manana infirmiera miisa 45.000 moa isika eto Madagasikara ankehitriny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT