Fahasalamana

HJRA Ampefiloha Olona 2.500 nahazo fitsaboana maimaimpoana


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Tontosa soa aman-tsara ny sabotsy lasa teo tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ilay hetsika “dia zone” nokarakarain’ireo zone miisa efatra eo anivon’ny fikambanana Lions Club dia ny zone 13, 31, 32 ary 33 entina hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka.

 

 

 

 

 

 Fizaham-pahasalamana maimaimpoana maro samihafa toy ny fitsapana ny tosidra, ny fitiliana ny aretina diabeta, ny fijerena maso no natao  ka olona hatrany amin’ny 2.500 isa no nahazo tombontsoa. Tranoheva miisa 20 no indray niara-nandray anjara tamin’izany. Samy nanana ny andraikitra noraisiny avokoa izy ireo, hoy Rtoa Nirina Rabemila, filohan’ny fikambanana Lions Club Santatra. Tao ohatra ireo niresaka ny diabeta sy ny nify fotsiny, tao ireo niresaka ny diabeta sy ny maso. Nomena vahana ihany koa ny firesahana momba ny diabeta sy ny fanatanjahantena. Ny hahafahana manentana ny olona tsy hanao antsirambina ny fahasalamany no tanjona sady entina hanampiana ireo tokony hanatona mpitsabo ihany koa saingy noho ny fahasahiranana dia tsy afa-manoatra. Tsy hijanona ho an’ny mponin’Antananarivo irery ihany moa izao hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana tanterahin’ny fikambanana Lions Club izao raha araka ny fanazavana azo fa hiparitaka any amin’ny faritra ihany koa. Ho an’ireo hita fa tena marary kosa dia horaisin’ireo mpiara-miasa amin’ny fikambanana akaiky ny fitsaboana azy  ireny ka ho an’ireo voan’ny  diabeta, ohatra, dia horaisin’ny Amadia an-tanana  ny fikarakarana ny fahasalaman’izy ireny. Ho an’ireo marary maso kosa dia ny LSFM ( Lions Sight First Madagascar) etsy amin’ny hopitaly HJRA no hijery manokana azy ireny sady hivarotra solomaso amin’ny vidiny mirary ho an’ireo izay mila. Saika manana olana amin’ny fizaham-pahasalamana avokoa ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny noho ny hasarotan’ny fiainana ka voatery manenjika ireny fitiliana maimaimpoana ireny avokoa.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT