Fahasalamana

HJRA Ampefiloha Nahazo toeram-pandidiana manara-penitra ho an’ny zaza


  • Sabotsy 27 Janoary 2018

Nahazo efitrano fandidiana zaza ny eo anivon’ny hopitaly oniversitera Joseph Ravoahangy Andrianavalona etsy Ampefiloha.

 Ny Vivo Energy no angady nananana sy vy nahitana izany, fotodrafitrasa vao notokanana afak’omaly alakamisy hariva, notarihin’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Andriamanarivo Mamy Lalatiana sy ny tale jeneralin’ny Vivo Energy Atoa Kader Maiga. Ahitana efitrano maromaro io trano fandidiana vaovao io. Anisan’ireny ny efitrano fiomanana, ny efitrano fandidiana, ny efitrano fanairana ny marary  ary ny efitrano fiandrasana ho an’ireo mpiandry marary.  Misy ihany koa ny trano fidiovana manokana. Tanjona amin’ny fananganana izao foto-drafitrasa izao ny hahafahana mandray an-tanana avy hatrany ireo zaza marary mafy mila fandidiana maika tonga mandalo eo anivon’ity hôpitaly iray ity fa tsy miandriandry toy ny teo aloha intsony. Tamin’iny taona 2017 nivalona iny moa raha tsiahivina  dia nahatratra 1.734 ireo ankizy nodidiana tao amin’ity hopitaly iray ity ka ny 1.008 tamin’ireo dia nila fandidiana maika avokoa raha 5.030 ireo marary. Afa-pahasahiranana tanteraka ny hopitaly HJRA ankehitriny vokatry ny fisian’ity efitrano fandidiana ho an’ny ankizy ity, izay marihina fa tena manara-penitra tanteraka. Tsiahivina moa fa anisan’ny asa tena imasoan’ny Vivo Enregy eto amintsika ankehitriny ny fanatsarana ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina ka anisan’ireny ny fahasalamam-bahoaka.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT