Fahasalamana

HJRA Ampefiloha Ampy tsara ny tahirin-drà


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2017

Na dia mahatratra 100 paosy isan’andro aza ny filàn-drà eto an-drenivohitra amin’ny ankapobeny, dia tsy manana olana amin’izany ny toby fitehirizan-drà etsy amin’ny hôpitaly HJRA Ampefiloha.

 

Taorian’ilay lozam-pifamovoizana nahatsiravina namoizana ain’olona am-polony tany Ankazobe iny mantsy dia nanao tohivakana tokoa ireo olona tonga nanome rà tao amin’ity hôpitaly iray ity ny herinandro teo. Raha folo isan’andro izany teo aloha ohatra dia nanjary tafakatra 20, fihetsika izay tena nanampy betsaka ireo mpiara-belona mila vonjy tokoa. Na izany aza anefa dia nambaran’Atoa Randriamanantany Arivelo, tompon’andraikitra eo anivon’ity ivon-toerana fitehirizan-drà ity fa tokony ho amin-tsitra-po hatrany no hanomezana ny rà ho an’ny mpiray tanindrazana araka ny fenitra napetraky ny OMS fa tsy miandry voina mitranga tahaka izao vao hihazakazaka. Tsiahivina  hatrany moa fa tsy maintsy mihoatra ny 50 kg ny olona afaka manome rà, salama tsara, tsy misotro toaka, tsy tonga fadim-bolana ho an’ny vehivavy na koa mampinono sy bevohoka.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT