HJRA AMPEFILOHA

5 ireo namoy ny ainy nandritra ny fety


  • Alarobia 22 Mey 2024

Nahatratra 5 ireo olona namoy ny ainy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta teo nandalo sy notsaboina

tetsy amin’ny hopitalim-panjakana HJRA Ampefiloha. Raha hatontaly dia miisa 183 ireo narary nandalo nandritra ireo roa andro ireo, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ka ho an’ny sampana fameloman’aina na urgence dia nahatratra 124 izy ireo. Ny 18 tamin’ireo lasibatra noho ny adiady sy ny hamamoana, ny 33 naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana raha loza tsotra kosa ny ambiny ka afaka nody avy hatrany rehefa nahazo fitsaboana. Miisa 33 kosa ireo narary nentina nandalo tao amin’ny sampana vonjy taitra. Ny 3 nahery nisotro toaka loatra izay niaro zava-mahadomelina fa tsy nahatsiaro tena vokatr’izany. Miisa 4 kosa ireo tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo ka anisan’izany ireo zaza tsy manan-tsiny izay fantatra fa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.
Pati
Legende : Feno olona tahaka izao hatrany matetika eo anivon’ny sampana fameloman’ain’ny hopitalim-panjakana HJRA !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT