Fahasalamana

Hetsika fanairana Hikatona ireo CSB tantanan’ny Paramed


  • Alarobia 19 Aogositra 2020

Mpitsabo mpanampy na Paramed iray isan-taona eo no mamoy ny ainy vokatry ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara.

 

 

 

Vao ny 12 jolay teo no nisy ilay ben’ny tanàna sady Paramed matin’ny dahalo tany amin’ny Distrikan’I Miandrivazo. Noho ny loza mitatao sy hamoizana aina mihitsy mahazo azy ireo, dia hisy ny andro ho an’ny firaisankina na “telo andro fisaonana” ataon’ireo Paramed manerana ny Nosy manomboka anio hatramin’ny zoma ho avy izao. Raha sanatria mbola mitohy ny hetraketraka, dia mbola hitombo sy hitohy ny hetsika tahaka izao, hoy I Jerisoa Ralibera Filohan’ny sendikan’ny Paramed. Hikatona ireo tobim-pitsaboana fototra izay tantanan’ny Paramed araka ny fanazavana hatrany .Tsara ho marihana fa CSB I miisa 1050 sy CSB II miisa 800 eo no misy manerana an’i Madagasikara no ho voakasik’izany. Tsy izahay no hanao tsirambina ny fahasalamam-bahoaka, ka raha misy ny vonjy aina dia raisina an-tànana hatrany, hoy ny Filohan’ny sendikan’ny Paramed. Ao anatin’ny fiandrasan-draharaha mazava ho azy ny Mpitsabo mpanampy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT