Fahasalamana

Hetsika ara-pitsaboana Lasa any Tsivory sy Behara ny miaramila


  • Alarobia 07 Oktobra 2020

Mandray anjara feno amin’ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana any amin’ny faritra atsimon’ny nosy iny ny foloalindahy ka omaly izao dia nihazo an'i Tsivory sy Behara ireo miaramila mpitsabo hanampy ny avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny fandraisana an-tanana ireo olona mila fitsaboana maika.

 

 

 

 Efa vonona kosa ireo miaramila sy ny fiarakodia mavesatra mitatitra rano fisotro madio ho an'ny vahoaka ao Ifotaky.Tsy ny fiaroana ny olona sy ny fananany sy ny ady amin’ny asan-dahalo ihany no ataon’ny miaramila fa afaka miditra amin’ny sehatra ara-tsosialy ihany koa izy ireo.Ny miaramila izay efa nampiseho tamin’ny alalan’ny ivon-toerana CTC tetsy Mahamasina fa manana manampahaizana sy teknisianina mahavita azy sy afaka miara miasa tsara amin’ny sivily.Efa nanambara moa ny filoham-pirenena nyalahady teo fa aorian’ny ady amin’ny Covid 19 dia mbola asa sy ady mafy atrehana eto Madagasikara ihany koa ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny, ka izao mirotsaka an-tsehatra izao izany ny miaramila.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT