Fahasalamana

Herisetra mahazo ny vehivavy Voasoroka rehefa misy ny fahaleovantena ara-bola


  • Alakamisy 15 Desambra 2022

Manana ny toerany eo anivon’ny tokantrano ny asa fihariana. Anisan’ny manafoana ny herisetra ao an-tokantrano mantsy ny fananana izany,

indrindra fa ho an’ny vehivavy. Vehivavy miisa 126 isa nahavita ilay Business plan sy ny fametrahana ny fahatokisan-tena ao anatiny avy amin’ireo kaominina 13 tamin’ny 67 mendrika indrindra miara-miasa amin’ny Gender Links no nifampizara traikefa etsy amin’ny le Pavé Antaninarenina nanomboka omaly. Antony nisafidianana ireo kaominina ireo ny mba hahafahana mampanjaka ny miralenta amin’ireo mpiasa ao aminy sy ny fitantanany ny kaominina. Ho an’ireo vehivavy miisa 126 ireo ka manana tetikasa tsara indrindra araka izany dia hisy ny amboara hatolotra ho azy ireo anio Alakamisy fotoana hifaranan’ny fihaonana ankoatra ny fanoloran’ny mpamatsy vola fanampiana ho azy ireo.Tanjona tamin’ny fanofanana azy ireo izay marihina fa nahavita hatramin’ny farany raha araka ny fanazavan-dRtoa Alfine Papis lehiben’ny Gender Links eto Madagasikara ny mba hahafahana manafoana ny herisetra ao an-tokantrano. Rehefa mampidi-bola mantsy ny vehivavy raha araka ny fanazavany dia mihena ho azy ny fifamaliana eo amin’ny mpivady no sady mandroso ny tokantranony izay nohamafisin’ny fijoroana vavolombelona nataona Renim-pianakaviana iray. Loha-hevitra nampitondraina ity atrikasa ity moa ny hoe : Manafoana ny herisetra ny tsy fiankinan-doha ara-bola raha ho fampanjakana ny fitoniana sy ny fahamarinana no teny filamatry ny Gender Links izay mpikarakara.
Pati
Legende : Rtoa Alfine Papis, lehiben’ny Gender Links eto Madagasikara

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT