Fahasalamana

Herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza Hahazo tombony manokana ny vehivavy


  • Alatsinainy 24 Aprily 2017

Hotontosaina manomboka anio alatsinainy 24 Aprily manerana ny Nosy indray haharitra hefarana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, andiany faharoa amin’ity taona 2017 ity.

 

 Hiavaka tsy ho toy ny mahazatra ny hetsika amin’ny ankapobeny. Ankoatra ny fanaovam-baksiny sy ny fizarana Vitamina A ho an’ireo ankizy madinika mantsy dia hahazo tombony manokana ny vehivavy. Hisy ny fitsaboana maimaimpoana ny aretina mamany lava mandritra ireo efatra andro ireo, toraka izany koa ny fitiliana ireo tsimokaretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo toy ny sifilisy, ny SIDA…. Ireo vehivavy any amin’iny Faritra Atsimon’ny Nosy iny no tena higoka ny tombontsoa voalohany amin’izany noho ny fahafantarana fa mbola tena avo dia avo ny tahan’ireo vehivavy lasibatry ny aretina mamany lava any an-toerana noho ny fitondrana vohoka aloha loatra na ny tsy fanatonana tobim-pitsaboana rehefa hiteraka. Ny fahelan’ny fotoana hahavelomana kosa ho an’ny sasany no antony tena mahatonga izany, ka tsy mampitazona ny tatavia intsony hanao ny asany ara-dalàna. Tsiahivina moa fa an-jatony ireo vehivavy mamany lava notsaboina ka sitrana raha mbola misy ihany koa ireo tsy nahazo  fitsaboana  ka tsy maintsy horaisina an-tanana.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT