Hotanterahina manomboka anio alatsinainy 22 oktobra manerana ny Nosy, haharitra dimy andro, ilay hetsika herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza andiany faha-25, karakarain’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.
Zaza latsaky ny 59 manodidina ny 4 tapitrisa no ezahina hatao vaksiny raha zaza 3 tapitrisa enina ka hatramin’ny 59 volana kosa no ezahina hahazo vitamina A sy odin-kankana. Nambaran’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Rantomalala Harinirina Yoel fa ny hananan’ny zaza Malagasy fahasalamana feno no tanjona. Ao koa ireo vehivavy efa mitondra vohoka sy maniry ny hitondra vohoka. Manodidina ny 1 tapitrisa ireto farany no ezahina hahazo tombontsoa arahin’ny fitiliana maimaimpoana ny otrikaretina Vih/Sida. Nambaran’ny minisitra fa na efa nahazo mari-pankasitrahana aza isika fa naharesy ny aretina lefakozatra dia mbola hisy hatrany ny fanaovana io vaksiny ho an’ny ankizy hahafahana mampitombo ny hery fiarovana ao anatin’izy ireny sy hampandraisana anjara ireo tsy nanao izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.