Herinanandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza Hisy fitiliana maimaimpoana ny otrikaretina Vih

Sida


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2018

Hotanterahina manomboka anio alatsinainy 22 oktobra manerana ny Nosy, haharitra dimy andro, ilay hetsika herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza andiany faha-25, karakarain’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

 

 

Zaza latsaky ny 59 manodidina ny 4 tapitrisa no ezahina hatao vaksiny raha zaza 3 tapitrisa enina ka hatramin’ny 59 volana kosa no ezahina hahazo vitamina A sy odin-kankana. Nambaran’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Rantomalala Harinirina Yoel  fa ny hananan’ny zaza Malagasy fahasalamana feno no tanjona. Ao koa  ireo vehivavy  efa mitondra vohoka sy maniry ny hitondra vohoka. Manodidina ny 1 tapitrisa ireto farany no ezahina hahazo tombontsoa arahin’ny fitiliana maimaimpoana ny otrikaretina Vih/Sida. Nambaran’ny minisitra fa  na efa nahazo mari-pankasitrahana aza isika fa naharesy  ny aretina lefakozatra dia mbola hisy hatrany ny fanaovana io vaksiny ho an’ny ankizy hahafahana mampitombo ny hery fiarovana ao anatin’izy ireny sy hampandraisana anjara ireo tsy nanao izany.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT