Fahasalamana

Hena amidy eny an-tsena Tokony handalo fanaraha-maso in-droa


  • Sabotsy 17 Febroary 2018

Betsaka ireo hena lasa amidy eny amin’ny tany amin’izao sady eny amoron-dalana mihitsy. Voakasik’izany manokana ny eny Ampasika eny na ilay antsoin’ny olona hoe : bekoveta izay tena be mpividy tokoa.

Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy tokony ho tahaka ireny mihitsy ny fomba fivarotana hena eto amintsika ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka. Vao  ampidirina anaty kamiao entina hovonoina aty an-drenivohitra mantsy ny omby iray dia efa misy dokoteram-biby mijery azy ireny ho an’ny koperativa Madaomby manokana, raha araka ny fanazavan’Atoa Sambehafa Tahiry. Efa misy dokoteram-biby avy amin’ny Ministeran’ny Fiompiana indray tonga mitsara ny hen’omby rehefa voavono eny amin’ny abatoara  izy ireny ka anisan’ny jerena amin’izany ny savony sao misy aretina, ny taovany izay vao tombohana amin’ny fitomboka manga, ho fanamarinana fa azo hamidy sy hanina tsara ilay hena. Tsy mijanona eo fa mbola misy indray ny “controle de visite” rehefa tonga amina toerana iray ny hena ka ireo dokoteram-biby avy amin’ny fanjakana eny an-toerana indray no manao izany no sady manisy fitomboka amin’ny karnen’ny mpivarotra tsirairay mba hanamarinana ihany koa fa salama tsara ny hena amidiny. Amin’ny ankapobeny, ireo omby maty teny an-dalana, narary na reraka no hamidy amina toerana tsy ara-dalàna tahaka ireny koa hanairana ny mpanjifa ihany.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT