Fahasalamana

Havizanana tafahoatra 5 isan-kerinandro ireo marary manatona tobim-pitsaboana


  • Zoma 24 Aogositra 2018

Mihabetsaka ireo olona lasibatry ny havizanana tafahoatra amin’izao ( fatigue generale).

 

Dimy isan-kerinandro raha kely ireo marary tonga manatona toeram-pitsaboana tsy miankina iray eto an-drenivohitra ka tsy maintsy hampidirana hopitaly. Noho ny adin-tsaina tafahoatra na amin’ny asa hatao na amin’ny fiatrehana ny fiainana arahin’ny asa vatana sy ny tsy fisakafoanana no anisan’ny tena mahatonga io havizanana tafahoatra io, hoy ny dokotera Ratafika. Lohalaharana amin’izany ireo mampiasa solosaina sy milina. Vahaolana haroson’ity dokotera ity ho an’ireny karazan’olona ireny ny fisakafoanana tsara. Toy izany koa ny fakana aina na ho an’ny vatana na ho an’ny saina raha vantany vao misy fotoana, arahin’ny fisotroana ranobe. Mety mahafaty mantsy ity havizanana tafahoatra ity, hoy ny dokotera Ratafika, indrindra raha tonga any amin’ilay fihenan’ny tahan’ny siramamy amin’ny vatana  na ilay antsoina hoe : hypoglycemie. Fomba hahafantarana ny olona tratry ny havizanana diso tafahoatra moa ny faharenesany ny vatana torovana. Eo ihany koa ilay manoaka lavareny izay mariky ny havizanan’ny atidoha. Amin’ny ankapobeny moa dia ilay rotorotom-piainana sy ny fahasahiranana sedrain’ny tokantrano Malagasy ankehitriny mihitsy no mahatonga io havizanana diso tafahoatra io. Tsy vitsy mantsy ireo tsy misakafo afa-tsy indray mandeha isan’andro monja sisa ankehitriny nefa miasa mafy tsy mitandro hasasarana mba hamelomana ireo ankohonany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT