Fahasalamana

Hatramin’izay nisian’ny Covid 19 Nitombo 50% ireo olona tratry ny aretina alzeihmer


  • Alatsinainy 19 Jolay 2021

Nitombo 50% ireo olona lasibatry ny aretina Alzeihmer teto amintsika tato anatin’ny 2 taona, hatramin’ny nisian’ny valan’aretina Covid 19.

Noho ny tsy fahafahan’ireo zokiolona mivoaka sy mifanerasera amin’ny manodidina azy na koa miala voly no anton’izany fa tsy maintsy mihiboka. Vokany, nihombo ny aretiny ho an’ireo izay efa mba tsaratsara ankoatra ireo olona vaovao lasibatra. Fantatra izany tamin’ny Sabotsy teo nandritra ny fitokanana ny asa fanavaozana ny foto-drafitrasa handraisana ireo zokiolona tratran’ity aretina ity. Eny Mahazoarivo no ahitana izany, tantanan’ny ONG Masoandro Mody. Lasa mitokana tanteraka araka izany ny toerana handraisana ireo zokiolona sy ny toerana hialany voly raha nitambabe izany teo aloha. Nampitomboan’ny fikambanana noho izany ny fotoana hahafahana mandray ireo zokiolona tratry ny aretina Alzeihmer. Raha indroa isan-kerinandro mantsy izany teo aloha dia lasa in-dimy isan-kerinandro. Tanjona ny hanalana fahasahiranana ny fianakavian’ireo zokiolona tratry ny Alzeihmer. Tsiahivina moa fa misy amin’ireo olona tratran’ity aretina ity no vao 50 taona monja, taona izay azo lazaina mbola ao anatin’ny fahatanjahana tokoa.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT