HATAVEZANA

Miteraka aretina maro, ilana fitandremana


  • Alarobia 05 Martsa 2025

Miteraka aretina maro ny hatavezana ka ilana fitandremana.

Raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray dia miteraka fahasemporana ho an’ny olona iray ny tavibe loatra ao anatin’ny vatany. Mety ho tsentsin’ny tavy ihany koa ny lalandrany…Betsaka anefa ireo olona tsy mahalala akory fa matavy izy na mihamatavy. Raha araka ny fanazavana azo dia amin’ny alalan’ny IMC na ny Indice de Masse Corporelle no hahafahana manantatra izany. Tsotra ny fomba fikajiana azy io. Ny lanjan’ilay olona (kg) no zaraina amin’ny halavany (mètre²). Raha latsaky ny 18,5 araka izany ny IMC dia mahia ilay olona. Antonony na ara-dalana kosa ny lanja raha eo anelanelan’ny 18,5 sy ny 24,9. Raha eo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 29,9 indray ny IMC dia mahazo aina ilay olona raha matavy izy raha eo anelanelan’ny 30 ka hatramin’ny 34,9 izany. Diso matavy loatra indray ilay olona raha mihoatra ny 35 ilay IMC. Nankalazaina omaly Talata 04 Martsa ny andro maneran-tany hiadina amin'ny hatavezana. Manentana ny amin’ny tokony hihinana sakafo ara-pahasalamana hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manoloana izany. Toraka izany koa ny fisotroana rano 1 litatra sy tapany isan’olona isan’andro arahin’ny fanaovana fanatanjahantena mba hananana lanja antonony ho fitandroana ny fahasalamana.
Pati
Legende : Ny fihinanana voankazo sy legioma tahaka izao dia efa hahafahana miady amin’ny hatavezana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT