Loza mitatao hafa indray no iainan’ny vahoakan’i Toamasina mikasika ny valan’aretina pesta, indrindra taorian’ny fahafantarana fa nisy nangalatra tao anaty lavaka nosaronana vato sy simenitra tao amin’ny toeram-pandevenan’i Manangareza,
ny fatin’ny olona iray matin’ny pesta sy efa nalevin’ny mpiasan’ny fahasalamana teto Toamasina ny herinandro lasa iny. “Anisan’ny tena manamora ny fiparitahan’ny pesta ny fikirakirana olona matiny”, hoy ny mpitsabo, nefa izay no nataon’ireto fianakaviana ireto tamin’ny fampiasana kolikoly tamin’ny mpiambina ny toeram-pandevenana, nahafahan’izy ireo nangalatra ny fatin’ny havany hoentina an-tanindrazana noho ny tahotra ny very faty an-tanin’olona. Nanao ny ezaka rehetra ny zandary noho ny baiko avy amin’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille lehiben’ny Emmo-Reg eto Toamasina. Taorian’ny fanangonam-baovaon’ny zandary tamin’ireo tsara sitrapo, dia fantatra fa tany amin’ny fokontanin’i Vohiteza ao amin’ny kaominin’Amboditandroroho distrikan’i Toamasina II no nentin’ireto fianakaviana nangalatra razana ny havany matin’ny pesta izay nentina andro alina. Ny zoma teo dia nidina nisambotra sy nanao fanadihadiana azy 50 mianadahy mianaka tratra tany an-toerana ny zandary, izay nisy ny fitondrana azy ireo ao Toamasina mba hiatrika fitiliana sy fitsaboana ary fakana am-bavany. Heloka bevava maromaro no manenjika ireto fianakaviana ireto sy ny mpiambina ny toeram-pandevenana ao Manangareza ireto. Eo aloha ny famakiana fasana, ny halatra faty, fanaovana kolikoly mivantana ary fihetsika mampidi-doza ny vahoaka amin’ny fanapariahana ny aretina pesta noho tsy fitandremana. Ny fanjakana amin’ny alalan’ny fampanoavana misolotena azy avy hatrany no mpitory amin’izao raharaha izao, saingy miandry ny fitiliana sy ny fitsaboana ireto olona 50 tratra nangalatra razana ireto ny fanadihadiana azy ireo sy ny fiakaran’izy ireo koa eo anivon’ny fitsarana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.