Fahasalamana

Hafanana manevokevoka Mampiakatra Tosidra tampoka, mahafanina


  • Zoma 08 Desambra 2017

Tsy misy izay tsy mikolay amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika ny rehetra amin’izao. Mafana be tampoka indraindray, avy ny orana, mangatsiaka… Ilay hafanana be no tena mampitaraina ny maro, indrindra amin’ny antoandro. Aretina tsy ampoizina maro no aterany amin’ny ankapobeny toy ny fiakaran’ny tosidra tampoka izay vao avy nahafaty mpitarika sarety am-perinasa teny Anosibe ny herinandro teo, ny aretin’andoha, ilay fanina tampoka, maloiloy.

Ankoatra izay dia mety mahatonga ireo karazan’aretina ireo ihany koa ny kaikitry ny moka sy ny tsy fahampian-drano, hoy dokotera Fidy Bariniaina. Mila misotro rano 1 litatra isan’andro ny olona tsirairay ary mampiasa lay misy ody moka ihany koa amin’ny alina rehefa matory, manototra tany ny rano mihandrona, manapaka ny lobolobo, manasa tanana amin’ny savony alohan’ny hisakafo, hidina aloha ny trano isan-kariva raha azo hatao. Nomarihiny manokana fa tena mamely ihany koa ny aretin-kibo amin’izao noho ny fahatongavan’ireo karazam-boankazo eny an-tsena.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT