Fahasalamana

Hafanana be loatra eto an-drenivohitra Mila manao akanjo maivana sy misotro rano


  • Alarobia 12 Desambra 2018

Mihamafana hatrany ny andro eto an-drenivohitra ankehitriny. Efa tafakatra hatrany amin’ny 35 °C mihitsy izany amin’ny antoandro manomboka amin’ny 11 ora iny ka hatramin’ny 2 ora tolakandro indraindray ka mila tsy ho zaka.

 

 

Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Manitra Rakotoarivony, dia tena misy fiantraikany be dia be eo amin’ny fahasalamantsika olombelona tokoa io hafanana diso tafahoatra io ka tokony hotandremana. Amin’izay mihitsy no hampiharana ilay fahaiza-miaina raha araka ny fanazavany ka anisan’ireny ny fanaovana akanjo maivana ho an’ny rehetra. Tokony ho akanjo coton ihany koa no hatao manolo-koditra fa tsy sentetika hisorohana ilay mangidihidy amin’ny vatana. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fisotroana rano izay tokony hahatratra iray litatra sy tapany ho an’ny olon-dehibe vokatry ny hatsembohana…. Tokony hanao satroka hatrany koa rehefa mivoaka ny trano hahafahana miaro ny loha amin’ny hafanana  diso tafahoatra hisorohana ireo aretina mety hitranga toy ny fiakaran’ny tosidra, ny aretin’andoha….

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT