Fahasalamana

Gripa sy ny fanaovana dokotera tenany Mety mahafaty raha manano sarotra ny fitrangany


  • Alakamisy 15 Febroary 2018

Mety mahafaty ilay gripa mahery, indrindra raha manano sarotra ny fitrangany nefa tsy entina manatona dokotera na tobim-pitsaboana fa anaovana dokotera tenany.

 
Izay no nambaran-dRatsirarson Joséa, sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, omaly, rehefa nanontaniana ny mikasika ity aretina iray ity izy. Notsindriany fa ireo olona voan’ny gripa nefa sempotra na maneno ny tratrany no tena atahorana na koa ireo  milempona be ny kibony rehefa miaina.  Mila oxygene mantsy ireny karazan’olona marary ireny ka tsy vitan’ny any an-tokantrano intsony ny fitsaboana azy fa tsy maintsy manatona tobim-pitsaboana. Tsara sy mety ny manatona tobim-pitsaboana raha vantany vao tsy salama hahafahana mitsabo haingana ny aretina. Nomarihiny manokana fa viriosy no mahatonga ity gripa mahery eto amintsika ity ka tsy misy ny tena fanafodiny fa ny fisotroana ranobe sy ny fampiakarana  hery fiarovana ao anaty no tena hahafahana miady aminy. Tafiditra ao ny fihinanana sakafo ara-dalàna sy be otrikaina arahin’ny tsy fanaovana vizaka loatra. Ho an’ireo tsy voa moa dia ny tsy fifaneraserana amin’ireo efa marary no tena  vahaolana tsara indrindra.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT