Fahasalamana

Gripa miparitaka etsy sy eroa Tsy manao reraka be loatra no fisorohana azy


  • Zoma 09 Febroary 2018

Tsy vokatry ny loto akory fa vokatr’ireo karazana viriosy mifindra amin’ny olombelona samy olombelona ary mahazo aina rehefa somary mangatsiaka ny andro ilay gripa mahery mahazo ny ankamaroan’ny olona amin’izao, hoy Atoa Ratsirarson Joséa, sekretera jeneraly eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.

 
 

  Tsy voatery ho amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina anefa izy io no mitranga,  hoy izy fa rehefa milatsaka ny hafanana dia efa mahazo aina izy, toy ny zava-nitranga taorian’ny rivodoza AVA farany teo iny. Na izany aza dia tsy hatahorana hamono ity karazana gripa iray ity ankoatra ireo olona efa tena antitra be na koa ireo  mbola menavava. Vahaolana tsotra ny tsy fifaneraserana amin’ireo olona voan’ny gripa ho an’ireo te-hiaro tena amin’ny aretina. Toraka izany koa ny fanasana tanana amin’ny savony matetika, arahin’ny fanapenana ny vava rehefa mievona. Tsy manao reraka be loatra ny olona mba tsy ho voan’ny gripa ary mila mihinana voankazo sy hisotro ranobe hatrany, hampitomboana ny hery fiarovana ao anaty. Ho an’ireo efa marary kosa dia nomarihiny fa mila manao tampim-bava ao an-trano mba tsy hifindran’ny aretina. Tsiahivina fa ny 15 %-n’ny olona any amin’ny distrikan’Ambohidratrimo no fantatra fa voan’ity gripa mahery ity, 9 % any Vohipeno, tarehimarika vonjimaika tonga eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

 

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT