Fahasalamana

Gripa mahery Vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loto


  • Zoma 22 Martsa 2019

Tsy mety foana tanteraka ny gripa mahery eto amintsika. Ireo olona marefo amin’ny ankapobeny toy ireo ankizy latsaky ny dimy taona sy ireo zokiolona no tena mahita faisana amin’izany.

 Raha araka ny fanadihadiana natao tamina toeram-pitsaboana tsy miankina iray eny amin’ny 67 ha dia miisa dimy isan’andro  raha kely ireo ankizy voan’ny gripa entin-dRay aman-dReniny mandalo ao amin’izy ireo raha misy mikohoka mihitsy ny sasany. Vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fifindran’ny viriosy toerana izay vao mainka mihamahazo hery ny sasany ary ny tsy fanjarian-tsakafo no anisan’ny antony tena mahatonga izany. Manampy trotraka izany hoy dokotera Tantely ny fisian’ny fadifady eo amin’ny Malagasy sy ny haingitraingitra isan-karazany ka zary adino ny fihinanana ireo sakafo ara-pahasalamana sy tena mahavelona. Fa tsy adino ihany koa hoy dokotera Tantely ho an’ny olon-dehibe ny stress ateraky ny rotorotom-piainana izay mahatonga ny gripa ihany koa raha tsy lazaina intsony ny loto miparitaka etsy sy eroa. Vahaolana aroson’ity dokotera ity araka izany ny tokony handaminana ny saina hatrany, ny hihinanana sakafo ara-pahasalamana ary ny fisotroana ranobe. Ho an’ny ankizy manokana dia anisan’ny toro-marika nomeny ny tokony hihinana karazana voankazo sy legioma dimy ka hatramin’ny sivy karazany isan’andro ho fiarovana ny fahasalamany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT