GRIPA MAHERY SY KOHOKA

Betsaka ireo voa, mila mihinana legioma…


  • Zoma 15 Septambra 2023

Mbola miaina tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina miampita mankany amin’ny lohataona isika eto an-drenivohitra amin’izao.

Mbola tena mangatsiaka amin’ny hariva sy rehefa diva haraina iny raha amin’ny atoandro kosa no mba mafana kely. Betsaka ireo olona tsy mahazaka io fiovaovan’ny toetr’andro io noho izany. Betsaka indray vokatr’izany ireo tratry ny gripa mahery sy ny kohoka. Raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray dia efa tapa-bolana teo ho eo izay no nampirongatra azy io ary tsy mifidy na ankizikely na olon-dehibe. Lasibatra avokoa ny rehetra izay miantomboka amin’ny aretin’andoha, tsentsinabe ny orona no sady malain-komana raha misy manakotsako mihitsy ny vanin-taolana ho an’ny sasany, misy fery any anaty vava sy any anaty orona na eny ivelany…. Rehefa tsy manatona mpitsabo anefa ilay marary dia fantatra fa mety hivadika tazo mahery mihitsy izany ka mifindra. Vahaolana aroson’ity mpitsabo ity araka izany ny tokony hisotroana rano betsaka isan’andro arahin’ny fanaovana fitafiana mifanaraka amin’ny toetr’andro. Eo ihany koa ny fanajana ny ora fatoriana izay tokony ho adin’ny 6 isan-kalina ho an’ny olon-dehibe, ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana ahitana ireo otrik’aina ilain’ny vatana toy ny gliosida sy ny lipida ary ny protida miampy fihinanana voankazo sy legioma betsaka.
Pati
Legende : Mila mihinana sakafo ara-pahasalamana hahafahana manohitra ireny karazan’aretina ireny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT