Fahasalamana

GRIPA Fotoana mampahazo vahana azy indray izao


  • Zoma 06 Aprily 2018

Efa manomboka miditra miandalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina indray isika ankehitriny, fotoana tena fihetsehan’ireo aretin’ny taovam-pisefoana. Ankoatra ny kohoka dia mahazo vahana ihany koa ny gripa,

 

 izay nambaran’ny dokotera Manitra Rakotoarivony, tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa miovaova araka ny vanim-potoana misy.  Misy  fianakaviana maromaro  mantsy ny gripa, antony hanovana isan-taona ny vaksiny fanefitra. Nomarihiny fa tsy antibiotika velively no fanafody hahafahana miady amin’io karazan’aretina iray io fa ny fampitomboana ny hery fiarovana ao anaty.  Lohalaharana amin’izany ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, ny fisotroana rano betsaka ary ny fitandroana ny vatana tsy ho reraka be loatra. Ho an’ny sakafo manokana dia nambaran’ny dokotera Manitra fa anisan’ny antony hiarahan’ny minisitera miasa amin’ny ofisim-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo na ny ONN ny fampianarana ny olona hahay hisakafo. Betsaka mantsy ireo manam-bola afaka mividy sakafo saingy ny fampiasana azy no tsy hainy, antony mampahazo vahana ny aretina hatrany. Nomarihiny fa raha ilay karazana gripa mahery no nisy teto amintsika teo aloha dia gripan’ny andro mangatsiaka indray izao, miova araka ny vanim-potoana misy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT