Fahasalamana

Gastrotraining Afrika andiany faha-4 Traikefa hisorohana ny aretin’ny taova fandevonan-kanina


  • Alatsinainy 08 Jolay 2019

Notanterahina tany amin’ny Hopital Americain tany Parisy tamin’ny 5 sy 6 Jolay lasa teo ny andiany faha-4 tamin’ny Gastrotraining Afrika.

 

 

Nahita mivantana ny fampiofanana natao tany, teny amin’ny Nexta Andranomena, ireo mpisehatra amin’izany noho ny fiaraha-miasa tamin’ny Fondation Telma. Antananarivo, Toamasina, Antsiranana ary Fianarantsoa no nisitraka izany ka nahafahana mifehy ny fisorohana ny aretin’ny taova fandevonan-kanina. Tombony ho an’ny mpisehatra Malagasy ny fizarana traikefa nataon’ireo manampahaizana manokana avy any ivelany tahaka ny fifehezana ny aretin’ny aty, ny fahatavezana loatra, ny hepatita sy ireo maro hafa. Ny firenena afrikanina miteny frantsay no misitraka ity tetikasa Gastrotraining ity ary raha ny eto Madagasikara manokana dia efa napetraka ny fikambanana AGEM (Association des Gastro-Entérologues Malgaches)  sy ny SOMAPHYBIOM ahafahana mifehy tsara ny manodidina ny aretin’ny fandevonan-kanina. Fahalalana vaovao indray no azo ary tombony izany, indrindra ho an’ireo mpianatra dokotera Malagasy izay tonga maro nanatrika.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT