Fahasalamana

Frantsay voan’ny pesta nitsoaka hopitaly Nodimandry rehefa avy nandoa ra


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2017

Anisan’ny mahatonga ny tsy fifehezana sy fiparitahan’ny pesta ao Toamasina ny fisian’ireo olona marary sy voan’ny pesta mahalala tsara ny loza mitatao aterany kanefa dia tsy mety manaraka fitsaboana.

 Tao anatin’ny herinandro monja dia olona telo marary mitsabo tena eo anivon’ny hopitaly be no ifampitadiavana ankehitriny fa nitsoaka. Nahalala tsara ny fisian’ny pesta taminy ity teratany frantsay mpandraharaha ara-pizahantany eo amin’ny sehatry ny trano fisakafoanana “Philippe Ranom”, 40 taona ity. Notsaboina izy ny alatsinainy teo ka niabo ny fitiliana natao taminy, dia ompa sy fanivaivana ary teny ratsy indray no nataony ireo mpitsabo nisahana ny fitsaboana azy ka nahatonga azy nitsoaka ny fitsaboana ary nody tany an-tranony tao Ampanalana. Ny  zoma nifoha ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 2ora maraina anefa dia nihombo ny aretina pesta nahazo azy, izay efa niteraka tsy fahatsiarovan-tena teo aminy sy nahatonga azy efa nandoa ra ihany koa, dia nentin’ny vadiny teratany malagasy sy ireo namany teratany frantsay teo anivon’ny vonjy taitra sy ainan’ny hopitaly be ny tenany. Tsy nisy azo natao intsony taminy na niezaka nanavotra aza ny mpitsabo. Nandritra ny fanangom-baovao nataon’ny mpanao gazety anefa dia niezaka nanafina mafy ity tranga ity ny fianakaviany sy ireo teratany frantsay namany, saingy nivoaka ihany ny marina noho ny pesta loza mitatao ao Toamasina izay nateraka ny fandosirany ny hopitaly nitsaboana azy. Ny sabotsy tolakandro teo dia nalevina araka ny lalàn’ny fahasalamana amin’ny olona voan’ny pesta ny vata mangatsiakany tao amin’ny fasana natokana amin’izany tao Manangareza.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT