Fahasalamana

Fotoam-pahavaratra Mila mitandrina fa mamely ny aretin-kibo


  • Zoma 20 Janoary 2023

Ankoatra ny kohoka sy ny gripa mahery dia fotoana mampahazo vahana ny aretin-kibo ihany koa amin’izao fotoam-pahavaratra izao ka ilana fitandremana hoy Mandimbison Rija, mpitsabo amin’ny vokatra natoraly.

Ho an’ireo tsy manana paompin-drano fisotro madio fa mampiasa vovo hoy izy dia tokony hampangotrahana hatrany ny rano vao sotroina. Ho entin’ireo karazana riaka vokatry ny rotsak’orana mandeha mantsy ireo karazana mikraoba toy ny diky miparitaka ka mety ho tonga hatrany anaty rano sotroina izany. Mety ho tonga hanondraka ireo karazana anana sy legioma fihinana manta toy ny voatabia, salady ary kaokaombra ihany koa ireo rano mitondra ireo diky miparitaka ka mety hankarary kibo avy hatrany raha tsy voadio ara-dalana izany. Tokony hosasana tsara araka izany ireo legioma hanina manta sy ny voankazo hoy hatrany ity mpitsabo ity. Nomarihiny moa fa mandreraka haingana ary tena atahorana ny aretin-kibo indrindra fa ho an’ny ankizy ka tokony samy hitandrina ny rehetra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT