Fahasalamana

FONDATION ORANGE Nanampy ireo dokotera miasatena any ambanivohitra


  • Sabotsy 18 Martsa 2017

Mbola betsaka ireo reny sy zaza maty eo am-piterahana eto amintsika. Anisan’ny tanjon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ny hampihenana izany araka izay tratra ka eo anelanelan’ny 300 ka

 hatramin’ny 478 amin’ny  isan’ny reny 100.000 velona teraka no isa henjehina hatramin’ny taona 2019 raha eo anelanelan’ny 26 ka hatramin’ny 17 isa kosa no henjehina ho an’ny zaza velona miisa 1.000. Mba hahafahana manatanteraka ny hetsika dia nanolotra fampitaovana toy ny latabatra fiterahana sy kojakoja maro samihafa ho an’ireo dokotera miasa tenany any ambanivohitra miisa 46 mivondrona ao amin’ny Santé Sud ny Fondation Orange. Tamin’ny alalan’ny Orange Solidarité Madagascar no nanatanterahany izany, lanonana notanterahina tetsy amin’ny ANYMA Andrefanambohijanahary. Fantatra fa  efa tamin’ny taona 2002 no niasa tany amin’ireo faritra fito eto amintsika ny Santé Sud Madagascar. Tanjon’izy ireo ny hanampiana ireo vehivavy tonga miteraka eny anivon’ireo tobim-pitsaboana tsy miankina ireny raha eo ihany koa ireo zaza vao teraka. Ho an’ny Fondation Orange kosa dia efa betsaka ireo asa sosialy nosahanin’izy ireo. Anisan’izany ny resaka fanabeazana, ny fahasalamam-bahoaka, indrindra fa ny mahakasika ny reny sy ny zaza tahaka izao.

Pati

Legende : Nandritra ny fanolorana ny fitaovana omaly

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT