Fahasalamana

Fomba fanamboarana ny CVO Misy misandoka ny IMRA


  • Alarobia 29 Aprily 2020

Namoaka fanambarana ny Dr Andrianjara Charles Tale Jeneralin’ny IMRA (Institut Malgache de Recherches Appliquées)

 

 

 

 omaly 28 aprily fa misy atontan-taratasy na « document » misy ny sary famantarana na ny « logo » an’ny IMRA miresaka ny fangaro hoeti-manamboatra ny covid organics [CVO] miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera amin’izao fotoana izao. Tsy ofisialy io dosie io, ary milaza ny IMRA fa tsy tompon’andraikitra ary tsy miantoka ny fahamarinan’io antontan-kevitra io sy ny mety ho fiantraikany. Ny covid organics dia 62% amin’ny akora no avy amin’ny Artemisia, ary nolaraina zava-maniry hafa ilaina amin’ny fitsaboana: “antiséptiques”, fludifiant bronchiques, izay ampiasaina amina fangaro fisorohana nenti-paharazana efa an-taonany maro. Tena tetika hoenti-mamotika ny lanjan’ny asa fikarohana nataon’ireo mpikaroka Malagasy izay nahita ny fomba fanamboarana ny covid organics izao, hoy ny fanambarana. Nambara fa mamotika sy manohintohina ny laza sy ny lanja ananan’ny IMRA izay efa manana ny maha-izy azy sy toavina eto amin’ny firenena sy iraisam-pirenena izao fisandohana izao. Manana laboratoara maro naompana ho amin’ny fikarohana ara-pitsaboana amin’ny endriny samihafa, toy ny fampiasana ny zava-maniry, ny simian sy ny biolojia ho an’ny famokarana fanafody. Manao fikarohana amin’ireo zava-maniry tsy manam-paharoa eto Madagasikara. Mpikambana feno ao anatin’ny Agence Universitaire Francophone. Manamafy izahay, fa ny covid organics tena namboarina avy tamin’ny fikarohan’ny IMRA, dia nandalo fandalinana tamin’ireo laboratoara, ary manaraka ny fenitra nahazoana ny fahazoan-dàlana hamidy eny amin’ny tsena, hoy ny fampitam-baovao. Asa na misy fifandraisana tamin’ilay fahaverezana solosaina iray teny amin’ny IMRA taorian'ny lanonana ofisialy fampahafantarana ny covid organics notarihin’ny Filoham-pirenena ny 20 aprily 2020 izao fipariahana antontan-kevitra izao na ahoana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT