Fahasalamana

Foibem-paritry ny fahasalamana any Sofia Mitaky ny hanalana ny talem-paritry ny fahasalamana ny mpiasa


  • Talata 20 Novambra 2018

Mandrahona hanao hetsika fanairana ho fitakiana ny fanalana ny talem-paritry ny fahasalamana amin’ny toerany ny mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny foibem-paritr’i Sofia.

 Sakana ho an’ny fampandehanana ny asa sady manapotika ny tetikasa natao ho an’ny vahoaka ny fisian’io tompon’andraikitra io, araka ny taratasy nalefan’ny mpiasa avy tao amin’ny « Centre hospitalier de référence régionale Antsohihy », nisolotena ireo namany, tany amin’ny sampandraharahan’ny fitsirihana ny asam-panjakana (Inspection d’Etat) tamin’ny 30 oktobra 2018 teo saingy tsy mbola nisy tohiny hatramin’izao. Nomarihin’izy ireo fa efa ratsy fiasa io olona io fony izy médecin-inspecteur tao Antsohihy saingy notendrena ho talem-paritra ihany tamin’ny 2015 noho ny fananany mpiaro andoavam-bola (écolage) aty ambony, araka ny rehareha ataony amin’izay manakiana azy. Sady mpanampatra fahefana no ratsy fitantanana io tale io, hoy ireo mpiasany. Santionany nampahafantarina ny inspection d’Etat ny fivarotany fiaram-panjakana roa, nolazainy fa simba, ny fanagiazany ny moto avy amin’ny tetikasa MAHEFA, ny fitazonany ho azy ny famatsiam-bola 13.000.000 Ar avy tamin’ny tetikasa GAVI sy ny tsy nampiasany amin’ny tokony ho izy ny vola 2.400.000Ar tamin’ireo fanaovana vaksiny faobe nifandimby ka nampitaraina hatrany ireo superviseurs. Mampanjaka ny fijerena tavan’olona (népotisme) ao amin’ny fitantanana mpiasa ataony  ka ailiny avokoa ireo tsy mifandrairay aminy fa soloany an’ireo mpanaraka an-jambany ny baikony.  Aorian’ny fialana  nenina dia hiroso amin’ny dingana henjankenjana kokoa amin’ny fitakiany, ho fiarovany ny asam-bahoaka ao amin’ny faritra ireto mpiasan’ny fahasalamana ato amin’ny Faritra Sofia ireto.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT