Tratra ny tanjona ho an’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA tantanan-dRafanomezantsoa Jean Nirina.
Taorian’ilay fizaham-pahasalamana maimaim-poana naharitra 2 andro nifarana omaly alahady notanterahiny mantsy dia tsy tambo isaina ny olona tonga nanatona azy ireo manerana ny Nosy. Fahombiazana tanteraka no azony tamin’izany raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina izay manana tanjona hamerina ao am-pon’ny mpiray tanindrazana indray ny fitsaboana Malagasy taorian’ny antso avo nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Aminy mantsy dia tsy ny vola foana no tanjona fa ilaina ihany koa ny finiavana hampiray ny Malagasy. Notsiahiviny moa fa mpikambana ao amin’ny ASTRAMA ary mivondrona ao amin’ny ANTM ny mpitsabo Malagasy FITRAMA. Amin’ny alalan’ny zava-maniry sy ny otra no hanatanterahany ny asa fitsaboana izay manaja tanteraka ny etika sy ny deontolojian’ny fitsaboana. Tsy mivarotra fanafody izy ireo ary tsy mampiasa ny fitaovana hampiasain’ny dokotera ihany toy ny fanindromana ary tsy manone ordonnance. Tsy mampiasa fanafody hamidy eny amin’ny toeram-pivarotam-panafody ihany koa. Tsy maintsy zahana ary arahi-maso hatrany ny fahasalaman’ireo olona marary tonga manatona azy ka miankina amin’izay ny fanafody omena azy mandrapahasitrany tanteraka. Misaotra hatrany ny filoham-pirenena araka izany ity tale jeneralin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA ity namelona sy nanome lanja indray ny maha-Malagasy eo amin’ny sehatry ny fitsaboana.
Pati
Legende : Vonona ny hanandratra ny vita Malagasy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina sy ny ekipany
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.