Fizaham-pahasalamanana

maimaimpoana Mirohotra noho ny tsy fananam-bola ny olona


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2023

Izay ahitana ny sakafo hohanina sisa amin’izao no hataon’ny olona noho ny hasarotan’ny fiainana.

Ny ankoatra izay dia tsy maintsy mandefitra avokoa eny fa na dia ny fitsaboan-tena aza. Mila manana hatramin’ny 50.000 Ar any am-paosiny mantsy ny marary iray vao afaka manatona mpitsabo tsy miankina iray raha te-hahazo fahasalamana. Mbola ankoatra io vola aloha io ny vidim-panafody sasany raha betsaka ireo ilaina. Manoloana izany dia nisy ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana notanterahina teny amin'ny EPP Ankadikely-Ilafy ny Sabotsy teo. Niarahana tamin’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny CSB II Ankadikely Ilafy izany ka olona an-jatony no tonga nidodododo namonjy izany raha araka ny vaovao azo. Fizaham-pahasalamana amin'ny ankapobeany, fanabezana aizana ary fitiliana ireo zaza tratran'ny tsy fanjarian-tsakafo no tolotra nomena nandritra izany. Nambaran’ireo mpahazo tombontsoa moa fa tena ilaina tokoa ny fifanampiana sy fifanohanana tahaka izao noho ny halalin’ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny.
Pati
Legende : Nandritra ny fizaham-pahasalamana natao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT