Fahasalamana

Fizaham-pahasalamana maimaimpoana Nahasarika olona marobe ny fiangonana Advantista


  • Talata 14 Mey 2019

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly alatsinainy 13 mey tetsy amin’ny Parvis hotel Analakely, hifarana anio talata ilay fizaham-pahasalamana maimaimpoana karakarain’ny fiangonana Advantista mitandrina ny andro fahafito mitondra ny lohateny hoe :

 

 

 

 

“Antananarivo salama”. Olona an-jatony sahady omaly no tonga teny an-toerana ka anisan’ny tena maro an’isa indrindra ny zokiolona sy ny zaza amam-behivavy.  Nitily  ny maso, ny sofina, ny fahasalaman’ny ativava, indrindra fa ireo manana olana amin’ny resaka diabeta sy ny fiakarana na fidinan’ny tosidra no tena betsaka tamin’izany.  Tsy latsa-danja ireo manana olana amin’ny resaka taolana ka mila fandidiana maika… Nambaran’ireo tompon’andraikitra fa fitiliana fotsiny ihany aloha no notanterahina teny an-toerana fa eny anivon’ny Clinique advantista eny Soamanandrariny avokoa no hatao ny fanalana nify sy ny fandidiana rehetra ho an’ireo izay mila izany. Fa ankoatra ity tolotra ara-pahasalamana ity dia misy ihany koa ny tranoheva manokana mampianatra ny renim-pianakaviana ny fomba fikarakarana sakafo ara-pahasalamana ho an’ny fianakaviana, tsy mampiasa hena  nefa tsy be menaka sy siramamy ihany koa. Toraka izany koa ireo manome torohevitra maimaimpoana momba ny fikarakarana vatana… Tsy mitory ny filazantsara fotsiny ihany moa hoy pastera Ratsarasaotra Paul, mpandrindra ankapoben’ny hetsika no asa hiandraiketan’ny fiangonana Advantista fa eo ihany koa ny fikarakarana ny fahasalaman’ny mpiara-belona.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT