Fahasalamana

Fizaham-pahasalamana maimaimpoana Maro ireo tonga tetsy Ambohibarikely-Anosibe omaly


  • Zoma 27 Janoary 2023

Tsy manana fahafahana ny hitsabo tena ny ankamaroan’ny Malagasy. Raha aretina mbola azo hiafiafiana dia tsy maintsy hiafiafiana sitrany ahay hamidy sakafo, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

Voatery manenjika ireny fizaham-pahasalamana maimaim-poana karakarain’ny fikambanana …. ireny araka izany ny rehetra rehefa misy izany. Ohatra ny omaly ohatra dia vahoaka marobe no tonga nanatona ny fokontany Ambohibarikely Anosibe nandritra ilay hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka nokarakarain’ny kaominina Antananarivo renivohitra izay efa fanao nandritra ny 2 taona isaky ny 2 herinandro. Na dia teo aza ny andro ratsy sy ny elanelan-toerana dia tsy nanakana ireo vahoaka tsy ho avy izany. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, dia nisy ihany koa ny fitiliana diabeta sy fanomezana fanafody maimaim-poana ho an’ireo olona lasibatr’izany aretina izany na kely na lehibe. Nisy ihany koa ny fijerena tosi-drà, sy fizahana maso maimaim-poana, narahin’ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo zaza sy reny mitondra vohoka tokony efa hisafo sy hanao vaksiny. Tsy latsa-danja tamin’izany ireo tratry ny gripa sy ny kohoka mahery.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT