Fahasalamana

Fivoriana momba ny zon’olombelona any Génève Nasain’ny Croix Rouge ny Zandarimaria


  • Alarobia 29 Novambra 2017

Tsy maintsy manaja ny zon’olombelona ny zandary mandritra ny fanatanterahana ny asany rehetra na inona na inona iraka azony ary na aiza na aiza toerana hanaovana azy,

araka ny baiko nomen’ny Jeneraly sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena miandraikitra ny zandarimaria. Noho ny fahatsapan’ny Croix Rouge Internationale miandraikitra ny faritra Oseana Indiana ny asa mivaingana efa vita sy ny fahavononana  tanteraka nasehon’ny zandarimaria amin’ny fanajana ny zon’olombelona, nandritra ny fitsidihana narahina tomban’ezaka  nataon’izy ireo teto an-toerana, volana vitsy lasa izay, dia nanasa tompon’andraikitra iray hanatrika ny fivoriana miompana amin’izany izy ireo. Hotanterahina any Genève-Suisse ny fivoriana, ao amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana ny 30 novambra sy ny 01 desambra 2017 ho avy izao. Ny jeneraly Andriamanana Solofonirina Maherizo, talen’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany ao amin’ny sekreteram-panjakana sady misahana ny fandrindrana ny fampiharana ny fanajana ny zon’olombelona eo anivon’ny zandarimariam-pirenena no hanatrika ny fivoriana. Nohamafisiny fa fa mitohy hatrany ireo ezaka marolafy  hampiharana ny fanajana ny zon’olombelona ao aminy ary hisy hatrany ny fanaraha-maso hentitra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT