Fahasalamana

FIVAZA ANTANANARIVO Nanome ra tetsy amin’ny HJRA Ampefiloha


  • Alatsinainy 06 Martsa 2017

Nisantatra ny fankalazana ny andron’ny 8 martsa omaly ny FIVAZA (Fikambanan’ny VAdina Zandary) eto Antananarivo.

 Am-polony maro izy ireo no tonga nanohana ny antso, notarihin’ny vadin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandariamariam-pirenena, Ramatoa Pazza. Fantatra fa tsy misy resa-politika na mifandraika velively tamin’ny fitokonana notanterahin’ireo mpiasan’ity ivontoerana ity ny fanomeza-dra notanterahin’ny fikambanana FIZAVA izao fa daty efa voatondro hatramin’ny ela ho fanampiana ny mpiara-belona marary mila ra. Hitohy anio alatsinainy ny hetsika amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana izay hotanterahina ao amin’ny chapelle millitaire Ampahibe. Tsy hitsahatra izany raha tsy ny alarobia 8 martsa entin’izy ireo hanehoana amin’ny rehetra  fa mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny FIVAZA, indrindra fa ny  fampandraisana anjara ny vehivavy. Tsiahivina fa efa mihoatra ny folo taona izao no nisian’ny fikambanana. Saika mivondrona ao anatiny avokoa ireo vehivavy vadina zandary eto amintsika, fikambanana iray miezaka manao asa soa hatrany toy ny fanampiana ireo zanaka mpitandro ny filaminana kamboty lavo am-perinasa, ireo marary mbola manaraka fitsaboana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT