Fahasalamana

Fitsaboana Tsy re intsony ny Gélule CVO+


  • Alakamisy 15 Oktobra 2020

Tamin’ny 2 oktobra lasa teo no nitokanana ny ozinina mpamokatra fanafody Pharmalagasy eny Tanjombato. Hamokatra karazana fanafody 13 isa ao anatin’ny telo taona ny fanambin’ny fitondram-panjakana, fa ny gélule CVO+ no nisantarana izany.

 

 

 Nandritra io fotoana io no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny fivoahan’ny CVO+, izay tsy nisy resaka hitsaboana ny covid-19 ny kabarin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’io. Hatreto, tsy re firy ny akon’ny fampiasana sy ny famarotana azy io. Nihena ny trangana coronavirus, izay efa latsaky ny 400 sisa ny olona manaraka fitsaboana, raha ny tatitra ny talata lasa teo. 22 500 isa-minitra 1 350 000 isan’ora ny hafainganan’ny milina mamokatra ny « gélule », ka ao anatin’ny 13 andro dia afaka mahavita ny Filan’ny Malagasy kajiana ambony ho 30 tapitrisa, raha samy mihinana 3 avy ao anatin’ny 5 andro. Teo amin’ny 1000 ny mbola nanaraka fitsamboana tamin’ny fotoana nivoahan’io fanafody io, izany hoe tsy ho lany amin’ny tsena anatiny velively izay vokarina. Efa nampiasaina nitsaboana ireo mararin’ny covid-19 ve? Iza no hanjifa azy? Ohatrinona ny sandan’ny famokarana sy ny hivarotana azy? Mbola baraingo mandrak’androany ny vola nentina nananganana ilay ozinina na ny mpiara-miombon’antoka ao aminy. Sao sanatria vokarina fahatany ka na misy manjifa na tsia dia efa misy vola nomanin’ny fanjakana hividianana izay vokatra? Sao endrika fandoarana volam-panjakana ho an’ny anaty kitapom-bolan’ny akamakama na fianankaviana?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT