Fahasalamana

Fitsaboana Traditionnel Malagasy Miara-miasa amin'ny Hafari ny Dr Jean Pierre R


  • Zoma 15 Mey 2020

Tsy mpikambana ao intsony, efa lasa ao amin’ny FITRAMA Tsy mpikambana ao amin’ny FI ASTRAMA fitsaboana nentim-paharazana nisy azy nandritra ny 11 taona intsony dokotera Jean Pierre Rakotondranaivo.

 Efa nanangana ny FITRAMA izy ( Fitsaboana Traditionnel Malagasy) hiarahany amin’ny fikambanana Hafari Malagasy izay mitsabo ny Malagasy amin’ny alalan’ny zava-maniry. Eny amin’ny 67 ha sy eny Anosizato no misy ny foibeny ankehitriny, manao bioscan sy mikarakara ireo manana olana ara-pahasalamana rehetra. Raha araka ny fanazavany dia anisan’ny antony nialany tao amin’ny FI ASTRAMA ny fampifangaroana ny fitsaboana hataony izay mizotra lalina mankany amin’ny fikarohana ny zava-maniry amin’ny asan’ireo mpimasy.Ekena hoy izy fa nianga tamin’izany avokoa ny mpitsabo nentim-paharazana saingy efa mila vokatra azo tsapain-tanana izao. Hatreto raha araka ny fanazavany dia efa mahatratra 200 ireo olona nahazo tombontsoa tamin’ny fitsaboana nataony teto Antananarivo ka anisan’ireny ireo lehilahy tsy miteraka izay nohatsaraina ny tsirin’ainy. Toraka izany koa ireo vehivavy tsy mety mahazo zaza….Marihina moa fa mamboly zava-maniry mihitsy dokotera Jean Pierre any Farafangana hahazoany ireo karazam-panafody manasitrana aretina maro ao aminy. Mampiasa olona 50 isa izy amin’izany mioty ireo ravin-kazo ireo ka ny enton’izany no hampiasainy hitsaboana ireo marary. Nisaotra manokana ny filoham-pirenena moa ny tenany noho ny famelan’ity Ray aman-dRenin’ny Malagasy ity hanome vahana ny fanafody vita avy amin’ny zava-maniry nateraky ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana maro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT