Volana maromaro izay no nijoroan’ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy teto amintsika na ny FITRAMA,
tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina izay sady filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy. Antom-pisiany ny fanohanana ny antso nataon’ny Filoham-pirenena taorian’ny niparitahan’ny tsimok’aretina Covid 19 teto amintsika izay hivondronana mpitsabo nentim-paharazana marobe. Nanao tomban’ezaka ny asa vitany ny filohan’ny FITRAMA omaly tetsy amin’ny foiben-toerany etsy amin’ny 67 ha.
MANAM-PAHAIZANA MAROBE
Marobe ireo mpitsabo nentim-paharazana sy manam-pahaizana mivondrona ao anatin’ny FI.TRA.MA ary mamokatra fanafody avy amin’ny alalan’ny zava-maniry raha araka ny fanazavana azo omaly. Traikefa efa an-taonany maro nolovaina tamin’ny razambe hoy izy no hahafahana manatanteraka izany, no sady namorona asa maro ho an’ny mpiara-belona ihany koa. Na tao anatin’ny krizy aza hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina dia betsaka ny zava-bitan’ny FITRAMA vokatry ny fahaiza-mitarika sy ny fahaiza-mitantana. Toerana maro no nanitaran’izy ireo ny ambahindahiny no sady namondronany mpitsabo nentim-paharazana maro toy ny ao Toamasina, Brickaville, Anjiro, Moramanga, Ambohimangakely, Talatamaty, Anosiala Ambohidratrimo, Mahitsy, Ankazobe, Mevatanana, Mahajanga, Anosizato, 67 ha, Andoharanofotsy, Imerintsiatosika, Arivonimamo, Analavory, Tsiroanomandidy, Ambatolampy, Ambohimandroso, Antsirabe, Ambositra, Fianarantsoa, Ambohimahasoa, Toliara, Ihosy, Farafangana, Vohipeno, Manakara, Mananjary….
TARATASY
Ny olana kely sedrain’ny FITRAMA ankehitriny dia ny resaka taratasy tokony hotakiana eny anivon’ny Ministera. Noho ny fihibohana hoy izy no antony nampiantoka kely io fikarakarana taratasy io miampy ny fandoavan-ketra izay asa maikabe tsy maintsy hataon’ny FITRAMA miaraka amin’ireo mpitsabo rehetra ao anatiny ato ho ato. Nahazoana vola ary nanova fiainan’olona maro ny fijoroan’ny FITRAMA hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nanomboka tany amin’ireo mpamboly madinika izany hoy izy hatramin’ireo mpitango ravinkazo hanamboarana ny fanafody. Ny FITRAMA ihany koa hoy izy no nanakoako voalohany indrindra nanerana ny Nosy taorian’ny antso nataon’ny Filoham-pirenena izay tsy manao politika araka ny fanenjehana azy akory fa tena manandratra ny maha-Malagasy.
VOKATSOA
Maro ireo nahazo voka-tsoa tamin’ny fijoroany hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina. Olona an’analiny no efa sitrana soa aman-tsara. Nandray anjara feno tamin’ny ady tamin’ny Covid 19 ihany koa ny FITRAMA hoy hatrany izy ary tsy an’olon-tokana izy io na an-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa ho an’ny daholobe ary hiankinan’ny fiainan’olona marobe. Notsiahivin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa tsy mora ny lalana nodiavin’ny FITRAMA. Betsaka hoy izy ireo nanenjika sy nitsikera ka nahasahy nilaza fa natao hitadiavam-bola ny FITRAMA saingy kosa fanasoavam-bahoaka no tena tanjony. Tsy kivy tamin’ny henjika sy ny fampihorohoroana izahay hoy izy ary efa afaka milaza ankehitriny fa tafita ny hafatra ary vita ny adidiny tamin’ny fikarakarana ny mpiray tanindrazana.
HAMPIDINA NY VIDIM-PANAFODY
Nitondrany fanazavana ihany koa ny mikasika ny resa-bola izay nomarihiny manokana fa niainga tamin’ny 0 Ar ny FITRAMA manerana ny Nosy. Vokatry ny fahaiza-mitantana sy mitarika hoy izy no nahafahana nampiroborobo izany toy ny fifampiraharahana tamin’ny mpamatsy, ny mpiasa,…. izay fahagagana tanteraka. Fahagagana ho anay hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina ary zava-dehibe ho anay ny nanandratana ny maha-Malagasy tamin’ny alalan’ny fitsaboana nentim-paharazana. Fepetra vaovao horaisiny manomboka izao araka izany ny fampihenana ny vidim-panafody mba ho zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra. Nahatonga disadisa anatiny mihitsy io halafosan’ny vidim-panafody io hoy hatrany izy noho ireo akora izay tena ilaina toy ny vahona, ny andramena karohina any amin’ny tany lavitra toy ny any Toliara…. Hiezaka hampanara-penitra ny taratasy ara-panjakana sy ny fitaovana ihany koa izy ireo toy ireo fitaovana fanorana hafarana avy any Sina…. Notsindriany manokana moa fa na betsaka aza ny fandrangitana sy ny fanenjehana azy, indrindra ao anaty tambajotran-tserasera Facebook dia hiezaka ny hilamina sy handefitra ny tenany manoloana ireo zava-bitan’ny FITRAMA tsara marobe manerana an’i Madagasikara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.