Fahasalamana

Fitsaboana tradisionela Malagasy Be mpitady any amin’ny Faritra


  • Talata 26 Mey 2020

Ankoatra ny fitsaboana ny mpiray tanindrazana amin’ny alalan’ireo karazana zava-maniry haodina hanjary ho fanafody mahasitrana sy ny otra dia manome asa ireo tanora tsy an’asa eto amintsika ihany koa ny FITRAMA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy.

 

 

 Tanora miisa 200 hatreto no efa nahazo fiofanana ho tradipraticien ka hiparitaka hiasa eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra. Betsaka ireo mangataka ny hanitarana ny FITRAMA any amin’ny faritra noho izany. Raha efa nanokafana ohatra ny ao Antsirabe sy Fiaranantsoa ary Vohipeno sy Farafangana dia faritra maro no mbola mangetaheta. Anisan’ny nanamafy izany filan’ny olona izany ny fahafantarana fa olona 600 isa hatreto no efa nahita fahombiazana, nanana olana ara-pahasalamana ka tonga nanatona teny amin’ny foiben’ny Hafari Malagasy teny amin’ny 67 ha sy teny Anosizato. Efa nahavita ny essai klinika rahateo izy ireo, izay marihina fa mitsabo ny aretina rehetra. Mankasitraka feno ny mpitondra ankehitriny araka izany ny FITRAMA nanome vahana feno ny fitsaboana nentim-paharazana hitsaboana ny Malagasy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT