FITSABOANA NY HOMAMIADAN’NY ZAZA

Nahazo fitaovana ny Hopitaly HJRA


  • Alarobia 17 Jolay 2024

Nisitraka fampitaovana ny "Service Oncologie pédiatrique"

misahana ny fitsaboana ny homamiadan'ny zaza eo anivon’ny hopitalim-panjakana HJRA Ampefiloha. Toraka izany koa ny "Service des Urgences" na ny fandraisana ny vonjy aina. Fauteuils roulants no azon’ireo sampandraharaha roa ireo, fanomezana avy amin’ny fikambanana Le Sourire d’onjA, natolotra omaly Talata 16 jolay. Tanjona ny hanatsarana ny fandraisana an-tànana ireo marary manaraka fitsaboana ao amin’ireo sampandraharaha roa ireo.Naneho fisaorana ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Fikambanana ny tale teknikan’ ny hopitaly sy ireo mpiara-miasa aminy. Tsiahivina moa fa am-polony ireo ankizy tratry ny aretina homamiadana mitsabo tena ao amin’ny hopitaly HJRA amin’izao ka ireo tratry ny homamiadan’ny ra sy ny maso no betsaka, raha ny loharanom-baovao azo.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fitaovana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT