Fahasalamana

Fitsaboana ny “Hépatite B Mila 1 tapitrisa Ar isan-kerinandro


  • Alarobia 09 Aogositra 2017

1 tapitrisa Ar isan-kerinandro raha kely ny vola ilaina ho an’ireo mararin’ny aretina Hépatite B eto amintsika, raha araka ny fanazavan’ny profesora Rakotovao Luc ;

tale teknika lefitra eo anivon’ny hôpitaly Befelatanana. Tsy maintsy mandritra ny 48 herinandro anefa no hanaovana izany fitsaboana izany raha  mbola te-ho velon’aina. Eo an-danin’izay anefa dia efa  tafakatra 25 % amin’izao fotoana izao ireo olona lasibatr’ity aretina ity eto amintsika,. Vokatry ny fanaovana firaisana ara-nofo sy ny amin’ny alalan’ny rà raha araka ny fanazavany hatrany no tena mahatonga ny aretina izay tsy ahitana famantarana akory ho an’ny 90 %-n’ny marary. Mba hisorohana ny aretina tsy hihanaka loatra ary dia hisy manomboka izao ny famarotana ny vaksiny iadiana amin’ny aretina Hépatite B  amin’ny vidiny 40.000 Ar ho an’ireo karazany telo raha 140.000 Ar no tena vidin’izany amin’ny andavanandro. Haparitaka manerana ireo toeram-pivarotam-panafody rehetra eto amintsika  izany izay ezahina hitohy hatramin’ny faran’ny volana Janoary taona 2018. Ny orinasa mpaninjara fanafody Sopharmad no handray an-tanana izany izay efa nanolotra vaksiny maimaimpoana ho an’ireo mpiasan’ny sampandraharaha pédiatrie etsy Befelatanana omaly tamin’ny alalan’ny fikambanana Compassion Madagascar, tarihin’ny filohany mpanorina azy Ranjanoro Elodie.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT